Madagasikara

Manodidina ny 6438,8 tapitrisa Ar ny fatiantoka ara-barotra 2023


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Mahatratra 12.915,3 miliara Ariary raha atotaly ny sandam-bidin’ny

fanondranana entana niala teto Madagasikara tao anatin’ny 11 volana, izany hoe ny janoary hatramin’ny novambra 2023, raha ny tarehimarika navoakan’ny fintantanana ny fadin-tseranana na DGD. Mikasika ny fanafarana kosa dia manodidina ny 19.354,1 miliara, raha ny tarehimarika vonjimaika voaray. Manodidina ny 6.438,8 Ariary, noho izany, ny fatiantoka ara-barotr’i Madagasikara tao anatin’izay 11 volana voalaza izay. Ahiana hitotongana, raha mitaha amin’ireo taona tany aloha noho izany ny lanjan’ny tsena anatiny eto Madagasikara. 6.722 miliara io fatiantoka io ny taona 2022 raha 4.290 miliara ny 2019. 4.617 miliara ny 2020. 5.633 miliara ny 2021. Ho an’ity taona ity dia ny fanondranana Nikela sy Kaobalta no heverina fa nameno ny taham-panondranana teto satria nahatratra 3.811,7 miliara Ariary. Manaraka azy ny vokatra azo avy amin’ny vary sy ireo fanomezan-tsiro samihafa ary voankazo sy legioma izay nahatratra 2.675,1 miliara Ariary. Ny resaka lamba kosa nahatratra 2.192 miliara Ariary. Eo amin’ny resaka fanafarana indray kosa dia ireo filàna an-davan’andro no tena be mpanafatra ary nahatratra 4.516 miliara Ariary. 3.933,3 miliara ny resaka angovo. 3.843,9 miliara Ariary no nanafarana kojakoja samihafa. Nanazava moa ny teo anivon’ny minisiteran’ny vola sy tetibola na MEF fa mila atao laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara manomboka izao ny fandrindrana izay resaka fanafarana sy fanondranana vokatra izay ka ho jerena izay azo anoloana ireo vokatra fanafatra hafa amin’ny vokatra avy eto an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana sy fampitam-baovao voaray mikasika izay sehatra izay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT