Madagasikara

Hampiantrano ny herinandron’ny Indostrian’ny SADC faha-8


  • Alarobia 04 Jona 2025

Hotanterahina eto Antananarivo, eny amin’ny Novotel Convention Center, ny SADC

Industrialization Week (SIW) andiany faha-8, manomboka ny 28 Jolay hatramin’ny 1 Aogositra 2025. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe: “Fampiroboroboana ny indostria, fanovana ny rafitra ara-pambolena ary fiovàna mankany amin’ny angovo maharitra ho an’ny SADC mahazaka sy maharitra.” Tontosa eo ambany fiahian’ny Minisitera misahana ny Indostria sy ny Varotra (MIC), miaraka amin’ny Minisitera ny Raharaham-bahiny (MAE) sy ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM), ity fihaonambe ity. Hifantoka amin’ny fahaleovantenan’ny famokarana ara-tsakafo, ny fanavaozana indostrialy, ary ny fampiasana angovo madio, ny adihevitra sy atrikasa mandritra ny herinandro. Anjara toerana manokana no homena ny tanora sy ny vehivavy amin’ny fananganana indostria matanjaka. Tanjon’ny SIM ny hanandratra ny Vita Malagasy sy hametraka sehatra ifampizaràna vahaolana maharitra amin’ireo firenena SADC.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT