Tonga eto Madagasikara indray ny iraka manokan’ny FMI (Fonds Monétaire International) izay tarihan’i Marshall Mills. Manara-maso indray ny fanatanterahana ilay FEC (Facilité Elargie de Crédit) andiany faharoa izay nahazoana 80 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2017.
Mazava ho azy fa hanao tatitra ny amin’ny nampiasana azy sy ny fandaniambola ireto iraky ny mpampindram-bola ireto. Izany hoe misy ihany ny fampindramam-bola ho an’i Madagasikara fa hita ho mitsitaitaika izany, ary miankina amin’ny zavatra hita eto sy araka ny fintantanana nataon’ny governemanta no hahazoana indray ny famatsiam-bola manaraka. Io moa dia vokatry ny tsy fahatokisan’ireo mpamatsy vola ireo ny mpitondra Malagasy, hany ka manao fanadinana isaky ny enim-bolana i Madagasikara. Fantatr’izy ireo mihitsy fa tsy mandeha amin’izay izy ny fitantanana sy ny fandaniam-bola hany ka harahi-maso matetika isika. Taratry ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny mpitondra izay manaratsy hatrany ny sarin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa izany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.