Toekarena

Madagasikara Ao anatin’ny firenena 7 be harena voajanahary indrindra


  • Talata 24 Novambra 2020

Ao anatin’ny firenena miisa 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany anefa

 

 


raha ny fandaharan’ny rafitra iraisam-pirenena misahana izany azy. Ny miharihary indrindra eo amin’izay resaka fahantrana izay aloha dia eo ny ara-batana, raha tsy haka ohatra amin’ny fijalian’ireo havana any atsimo vokatry ny afitsoky ny kere fotsiny. Eo ny ara-panahy satria dia mirongatra izay tsy izy ireo Malagasy hita ho very fanahy mihitsy ka zary manaotao foana any anaty fiarahamonina any. Manolana, mandray sy mivarotra zava-maha domelina, mamono ny mpiara-belona, mangalatra sy ny maro hafa. Fahantrana ara-panahy miditra any amin’ny ara-tsaina avokoa izany. Mahonena ny mandre hatramin’izao fa hatreo amin’ny kilasy T3 no mijanona amin’ny fianarany ny ankamaroan’ny Malagasy. Aiza izany ireo hany mba vato nasondrotry ny tany hanavotra an’ireo sy ny fireneny? Hita ho mbola manano sarotra na dia hatreo fotsiny azan y resaka. Toa tsy mbola mila miresaka ireo nofinofy maro toy ny tranobe mitanjozotra anaty tanana vaovao sy ny fahazoana ny nosy manodidina akory dia efa tampina ny daomy? Tsy mahagaga raha hita ho samy mamonjy ny tenany anaty sambo vaky ankehitriny ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra, raha ny hita an-tanan-dehibe. Ilay fitondrana nampanantena Tanamasoandro, Miami, Flyover, Fiara Gasycar, CVO sy CVO+ ity toa tsy hita hiantsapazana fa nanafatra vakisiny hanindromana azy sy ho mangidy atete amin’ny vavany indray ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Harin-karena faobe
  • Zoma 27 Novambra 2026

Niakatra 0,3% na nitaha ny

  • Toekarena,
  • Alarobia 25 Novambra 2026

diplaomasia, jeopolitika

  • Faha-100 taonan’ny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

vola taratasy voalohany

  • Toekarena
  • Zoma 20 Novambra 2026

FANOMEZANA HERY ARA-TOEKARENA NY VEHIVAVY

  • Angovo azo avy
  • Alakamisy 12 Novambra 2026

amin'ny masoandro

  • Hakarina ny
  • Alarobia 11 Novambra 2026

12% ny fampidiran-ketra

Hijery ny tohiny
FTT