Toekarena

Loza sy aretina vokatry ny asa Olona 6.400 isan’andro no mamoy ny ainy


  • Sabotsy 29 Aprily 2017

Olona 6.400 isan’andro maneran-tany no mamoy ny ainy vokatry ny aretina sy ny loza ateraky ny asa.

  Tafakatra 2 tapitrisa isan-taona izany, raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny SEKRIMA Andriamatoa Botodia Rhemi Henri  omaly ka tsy maintsy hitadiavam-bahaolana. Misy fiantraikany amin’ny lafiny ara-toekaren’ny firenena ihany koa mantsy izany  satria dia mahatratra 300 tapitrisa Ar isan-taona ny vola very. Mba hahafahana mijery akaiky ny momba ny mpiasa Malagasy ary dia notanterahina omaly tetsy Anosy ny fikaonan-doha niarahana tamin’ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy, ny mpampiasa ary ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara. Anisan’ny nodinihina manokana tamin’izany ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba izay tena misedra olana tokoa ny ankamaroany noho ny hamafisan’ny asa sy ny habetsahan’ny ora hiasana. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny fiarovana ny ain’izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT