LOKA PIERRE CASTEL - EDISIONA 2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana


  • Talata 23 Aprily 2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Ny STAR raha tsiahivina dia mitovy hevitra amin’ny tanjon'ny vondrona CASTEL amin’ny fanohanana ny mpandraharaha eto an-toerana mba hampiharana vahaolana maharitra amin'ny faharetan'ny rafitra ara-tsakafo eto Afrika.Nisokatra nanomboka ny 01 martsa teo ny fifaninanana raha tsiahivina ho an’ireo tanora mpandraharaha mizaka ny zom-pirenena malagasy eo anelanelan’ny 18 sy 45 taona, monina sy miasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria eto Madagasikara. Ireo tetikasa voafantina dia hisitraka amin'ny fanohanana ara-bola sy fanofanana izay afaka manangana sy manamafy ny fahaizany miatrika ireo fanamby raiki-tampisaka eo amin'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Loka ho azon’ny laharana voalohany mandritra izany ny vola mitentina € 15,000 miampy fanohanana ara-bola ary programa fanofanana. Mitentina 10.000 euros kosa ny loka faharoa miampy programa fanofanana koa. Fahatelo hatramin’ny laharana fahaefatra dia hisy ny fiofanana momba ny fandraharahana voamarina momba ny e-learning miaraka amin’ny foibe ara-barotra iraisam-pirenena any Geneva (ITC) ary fandraisana anjara mivantana amin’ny Prix Jeunes Espoirs. Azo hatao mivantana amin'ireto rohy manaraka ireto: http://candidature-prix-pierre-castel.com/ na https://forms.gle/MxtBBrwbsLaFsopf6 moa ny fisoratana anarana, raha araka ny fanazavan-dRamatoa Fanou Raveloarison, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa Star.
Pati
Legende : Ramatoa Fanou Raveloarison, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa Star !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT