Toekarena

Loholona Olga Ramalason “Aza potehina ny orinasa Malagasy”


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Tsy misy fanajana ny fifanarahana ny fanakatonan’ny fanjakana ny Orinasa Tiko AAA, hoy ny Loholona Ramalason Olga omaly.

 

 

 

Orinasa tokony mbola hisitraka fanampiana sy fanonerana amin’ny fanjakana io, ary ny fanjakana amin’izao fotoana io no nanapotika sy nandoro ny orinasa Tiko sy ny Magro tamin’ny 2009, hoy izy. Nisy ny tondrozotra na ny “feuille de route”, izay nifanarahana ka nahatonga azy ireo navela nitantana mandra-pahatongan’ny fifidianana taorian’ny 2009. Misy ny CFM izay tokony hampihatra ny fifanarahana, ka tokony hotanterahany. Tsy ny Tiko ihany, fa maro ny mpandraharaha tokony hisitraka fanonerana noho ny raharaha 2009, hoy ity loholona ity. Iza no mahazo tombotsoa amin’ny fanakatonana? Ny tantsaha, ny mpiompy Malagasy no potika. Ny an’ny Filoha Marc Ravalomanana mety ho vita ihany, fa ny an’ireo no hanao ahoana? Aoka mba hijery lavitra isika, hoy hatrany i Olga Ramalason.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT