Toekarena

Lodsia Malagasy 38 000 Ar ny kilao any Frantsa


  • Zoma 27 Novambra 2020

Sandaina amin’ny vidiny 8,5 euros na 38 000Ar eo ny iray kilao amin’ny “litchi”

 

avy aty Madagasikara any Frantsa. Miala eto amintsika anefa izy io 1000 Ar ny kilao andraisana azy raha be indrindra, izany hoe 2,63% monja amin’ny vidiny hivarotana azy. Asa na ohatrinona ny resaka hetra sy saran’ny fitaterana tsy maintsy alohan’ny mpandraharaha? Ny olona kosa tonga dia any amin’ny fampitahana no iantefan’ny adihevitra hoe: iza izany no tena mahazo tombony amin’izany? Tsy ny tantsaha mpamokatra velively aloha. Na inona na inona fanazavana, dia maro no naneho hevitra momba io tany amin’ny tambajotran-tserasera, fa voa mafy kosa ny tantsaha, fa ireo mpandraharaha sy mpanondrana na koa ny mpandray ny entana no tena mahazo tombony be mihoampampana. Marihina fa nanondrana 16 000 taonina isika tamin’ity taona ity. Toa mitovitovy amin’io ihany koa ny zava-misy amin’ny tontolon’ny lavanila amin’izao fotoana izao hoe: ny vidiny eto mitotongana izay tsy izy, fa ny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena tsy dia miova firy. Mila fijerena manokana ny toe-javatra tahaka izao mba hikatsahana ny tombotsoan’ny besinimaro, izay mety mahatsapa ho voambaka kanefa tsy afa-manoatra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT