Toekarena

LFR 2020 Hafana ny adihevitra anio !


  • Alakamisy 02 Jolay 2020

Ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-pan­jakana nasiam-panitsiana (LFR) taona 2020 dia hodinihan’ny vaomieran’ ny fitantanam-bola sy teti-bola fanindroany, taorian’ny fanovana nataon’ny Antenimierandoholona­, anio maraina ary hotapahan’ireo solombavambahoaka ny tapak’andro hariva.

 



 Raha tsiahivina dia lany saingy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierandoholona­ ny LFR 2020. Notakian ’ireo loholona hatramin’ny farany my hamerenana ao anatin’ny tetibolan’ny antenimierandoholona­ ny vola mitetina 7 miliara Ariary izay voarakitra eny anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) satria 23 miliara Ariary ny tetibola natokana ho an’ ity andrimpanjakana ity saingy 16 miliara Ariary ihany no voasoratra ao anatin’ny PLFR 2020. Tsiahivina hatrany fa ny “Sénat” no azo ambara fa andrimpanjakan` ny mpanohitra satria mbola ny antoko HVM no manana ny maro an` isa ao aminy. Araka ny loharanom-baovao dia hafana ny adihevitra mahakasika an` ity LFR ity anio satria mety hiova ho politika izay ho fanapahan-kevitra tapaka mandritra ny fivoriana.
Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT