Toekarena

LFR 2020 “Avereno hazavaina amin` ny vahoaka ny fandaniana”


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

« 1090 miliara Ariary izany “provision pour investissement”, 31% ny « déficit budgétaire », no niakatra 67% ny fiakaran’izay déficit budgétaire izay »

 

 

 

 

 hoy Hony Radert Randrianarison (mpikambana ao amin’ny CCOC) manoloana ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) taona 2020 nandritra ny fihaonan` ny CCOC (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes) sy ny Antenimierandoholona farany teo. Maniry ny mba ho fitantanam-bola mangarahara izany hoe mangataka ny fangaraharahan’ny paik’ady apetraky ny Fanjakana amin’ny fampiasana an’ny LFR 2020 ny fiarahamonim-pirenena. Nilaza izy ireo fa ankoatry ny fahataran’ny famolavolana izany sy ny fanolorana azy dia tsy mamaly loatra ny hamehana ara-pahasalamana izay misy amin’izao fotoana izao io LFR io. Nanambara izy ireo fa ny fanampiana sy fanohanana ny olom-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina no tokony ho tanterahina ao anatin’ny fohy ezaka izay tsy dia hita soritra ao anatin’io LFR 2020 io izany. Tokony ny fampiasàna vola no tokony ho betsaka indrindra amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ary mila atao apetraka mazàva tsara ny vola nentin’ny mpamatsy vola sy ny vola avy amin’ny fanjakàna mba hiatrehana ny ady amin’ny valan’aretina. Mendrika ampiana manokana koa ny sehatra tsy miankina ka tokony hisy ny fitsinjovana ireo tolotra na ireo vokatra. Tokony averina dinihina sy omena fanazavana misimisy kokoa amin’ny vahoaka Malagasy hoy ihany izy ireo, ireo fandaniana rehetra ao anatin’io tetibola-panjakana nasiam-panitsiana io. Ny dinika rehetra izay efa nataon’izy ireo dia hanaovan’izy ireo fampahafantarana ho an’ny besinimaro avokoa, hoy hatrany fiarahamonim-pirenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT