Toekarena

Lelavola kirakiraina eto Madagasikara Maro loatra ary betsaka ny very


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Raha ny tamin’ny herintaona fotsiny dia na miliara maro ny vola very noho ny fikirakirana vola betsaka loatra, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato.

 

 

Tsy maintsy hirosoana araka izany ny tokony hifehezana ireo teknolojia indrindra ny mahakasika ny vola sy ny Banky hamerana izany. Tanjona ihany koa  ny hampitomboana ny tahan’ny fisitrahana sy ny fampiasana kaonty amina banky ka nanaovana atrikasa omaly tetsy amin’ny Hotely Novotel  Alarobia. Ireo mpisehatra ara-bola rehetra no nifanakalo hevitra tao ary tonga nanotrona ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny minisitry ny Fambolena, Lucien Ranarivelo. Nojerevana ary niadiana hevitra tamin’izany ny mahakasika ny lafiny lalàna, ny fitaizana sahady ny toetsain’ireo olona (éducation finançière) amin’ny hirosoana amin’ny teknolojia tahaka ny fikirakirana vola anaty finday (mobile banking). Eo ihany koa ireo teknika maro manaraka ny toetrandro izay ahafahana mikirakira ny lafiny ara-bola. Ny IFC (International Finance Corporation), izay vondrona anatin’ny Banky Iraisam-pirenena no manohana ny tetikasa ary nanambara ny tompon’andraikitra monina eto Madagasikara, Rtoa Marcelle Ayo fa tokony ho tratran’ny firenena Malagasy ny tanjona amin’ny 2023. Hahatratra 20 hatramin’ny 25% ny tahan’ireo olon-dehibe hanana kaonty amin’ny Banky raha toa ka 12,1% monja izany ny taona 2017 ary hiroborobo ihany ny fampiasana ny mobile banking. Tetsy an-daniny dia nanambara ny Governoran’ny Banky Foiben’I Madagasikara, Atoa Henri Rabarijohn fa tombony ho an’ny Malagasy ny firosoana amin’ny teknolojia amin’ny fitantanana ara-bola tahaka izany fananana kaonty amin’ny Banky sy ny fikirakirana ny vola anaty finday izany. Manamaivana ny mpanjifa sady antoky ny fandriampahalemana ny tsy fikirakirana vola maro be, hoy hatrany ny fanazavany.

Tsirinasolo

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT