Toekarena

Lehiben’ny faritra Boeny mpisolo toerana Hametraka ny faritra ho modely ara-toekarena


  • Zoma 21 Febroary 2020

Hanao ny faritra Boeny ho fitaratra amin’ny ara-ekonomika ny lehiben’ny faritra Boeny mpisolo toerana, Atoa Bazezy Vanombe Clavelah Roslan, araka ny nambarany.

 

Nilaza ny tenany fa manana ny fandaharan’asa efa matipaika ara-toekarena sy ny drafitra izay nahitana mpamatsy vola. Anisan’izany ny fanatanterahana ny PRD na “Plan Régional de Developpement” sy ny CRATE na “Chemas  Régional d’Amenagement de Territoire”. Ny PRD dia haharitra 10 taona ny asa atao ary Ny CRATE kosa dia manana ny vinan’asa maharitra 20 taona ka ny faritra Boeny no mametraka ny laminasa rehetra entina hampandrosoana.

Efa misy ny mpiara-miombon’antoka

Araka ny fanazavana dia herintaona izao no nitantana ny faritra Boeny ity lehiben’ny faritra mpisolo toerana ity. Na izany aza dia efa hita taratra sahady ny asa mivaingana sy ny fampandrosoana vitany. Ireo PRD sy CRATE ireo dia iarahana amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka toy ny “Cooperation Allemand”, ka ny tetikasa rehetra no vatsiany vola. Ny Pro-Sol kosa no namolavola ny drafitra sy niantso ireo mpiara-miombon’antoka ka nahafahana nanatanteraka ireo vinan’asa amin’ny alalan’ny PRD sy ny CRATE ireo. Ny 18 martsa 2020 ho avy izao dia hanao “Conference de Bayeur” miaraka amin’ny “Allemand” sy ny “Pro-sol” ary ny “Banque Mondial” ny faritra Boeny hijerena ireo fampandrosoana ara-toekarena tokony hilofosana. Hisy endriny vaovao ny faritra amin’ny drafitra amin’ny alalan’ireo programan’asan’ny PRD sy CRATE ireo. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny faritra amin’ny mpandraharaha Malagasy toy ny Vitogaz. Ankoatra izay rehetra izay, dia efa vonona ihany koa ny mpandraharaha sinoa hamboly valy amin’ny velaran-tany mirefy 2500 ha, ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, kaominina Katsepy.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT