Tsy honohono fa tena izy. Misy manafangaro fantsika ny lavanila masaka efa vonona haondrana any ivelany. Nahita maso ny fisian'izany, omaly, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana,
Chabani Nourdine raha nijery ireo tranombarotra mpikirakira lavanila ao Sambava sy Antalaha ary koa nihaona tamin'ireo mpandraharaha lavanila. Velon-taraina ireto farany fa dia lavanila masaka misy fantsika no voavidin'ireo mpanangom-bokatra izay vatsian'izy ireo vola hividy lavanila eny amin'ny tantsaha. Tsy vitan'ny famonoana ny lalam-pihariana lavanila, izay reharehan'ny Malagasy, izao tranga izao fa dia miteraka fatiantoka goavana ho an'ny mpandraharaha ihany koa, satria dia voatery nividy milina manokana hanivanana fantsika amin'ny lavanila izy ireo nefa efa vidian-dafo ny lavanila. 1.100.000 Ariary ka hatramin'ny 1.400.000 Ariary mantsy amin'izao ny kilaon'ny lavanila masaka. Mbola olona sedraina ihany koa hoy ireo mpandraharaha, dia mihena mila ho isan-taona ny tahan'ny « vanilline » ilay singa mahatsara kalitao ny lavanila. Tsy misy afa-tsy 0,9 hatramin’ny 1,5 izany amin’izao raha toa ka nahatratra 2,5 teo aloha. Nangataka noho izany ireo mpandraharaha mba ho any amin’ny faran'ny volana jolay any ny fanokafana ny taom-piotazana lavanila any amin’ny faritra SAVA raha tiana ny hanatsara ny lavanila fa kosa mila hamafisina ny fitandroana ny fandriampalemana. Fanirian'ireo mpandraharaha lavanila ihany koa ny handefasan'ny Air Madagascar fiaramanidina lehibe, toy ny Boeing, izay mahazaka entana betsaka, fa « raha ny zava-misy amin'izao na herinandro aza tsy lasa ny entanay », hoy izy ireo.
Jean D.
|
|
|
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.