Toekarena

“Lanterne” vaovao Taxi-Ville Tsy hihemotra ny kaominina Antananarivo


  • Talata 11 Aprily 2017

Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ilay lanterne taxi ville vaovao misy hologramme tsy maintsy hampiasain’ny fiarakaretsaka ara-dalŕna rehetra.

 

  Fantatra izany nandritra ny   fanambarana nataon’ny talen’ny fitaterana eo anivon’ny kaominina, Rakotoarivony William tamin’ny mpanao gazety omaly. Misy amin’ireo mpitondra fiarakaretsaka mantsy no mitsipaka ny filanjan’izy ireo ity karazana lanterne iray ity. Na izany aza, fantatra fa  efa nisy ny fifampiresahana nifanaovan’ny roa tonta ary efa samy nanaiky ny hampiasa ny rehetra. Efa nisy ihany koa ny andrana natao ary tena mety. Tanjona hotratrarina ny hiady amin’ireo taksi  hosoka. Fiarakaretsaka 52 isa amin’ireo 700 eto an-drenivohitra no efa mampiasa azy io ankehitriny, anisany ny fikambanan’ny biraon’ny taksi izay vao avy naka ny azy tao amin’ny kaominina ny zoma lasa teo. Marihina fa tsy andoavam-bola ity lanterne ity fa omen’ny kaominina maimaimpoana. Eo an-danin’izay anefa, fantatra fa maka 4.000 Ar amin’ireo mpikambana ao aminy ny fikambanana mba hampidiriny ao anatin’ny kitapom-bolany, hono.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT