Toekarena

Lamba landy Mampiseho ny tena maha-Malagasy


  • Zoma 03 Janoary 2020

Misy ny akanjo mariazy vita amin'ny lamba landy ary efa maro ireo tanora manorina tokantrano no liana amin’izany. "Mariazy mampanofinofy" no lohahevitra tamin'ny fampiratiana andiany

 

 

faharoa nasehon'i Mialy Ratrema sy Andrianantenaina Chistiansen na i Gaona teny amin'ny Villa Harambato Andoharanofotsy. Miavaka tokoa ny asa famoronan'izy mianadahy ireto satria lamba landy no akora fototra nampiasan'izy ireo namoahana ny akanjo mariazy. Naseho tamin'ny alalan'ny filatroana moa ireo akanjo mariazy ireo ka ny an'ny vehivavy nitondra ny marika "Mialy Ratrema" fa ny an'ny lehilahy kosa misy ny marika "Gaona". Raha ny fanazavana nentin'i Mialy Ratrema, mpanjaitra sady mpamorona lamaody dia naharitra herintaona ny faharetan'ny fanomanana sy fikarakarana ity fampiratiana andiany faharoa ity. Raha tsiahivina dia tany Parisy no nanaovana ny hetsika tamin'ny taon-dasa. Tanjona ny hampiroboroboana ny asa famoronana sy hitondrana avo ny voninahitr'i Madagasikara maneran-tany fa hoy i Gérard Ratrema, Tale misahana ny eo anivon'ny marika "Mialy création". Tahaka ny mpamorona sy ny mpanao asa tanana Malagasy rehetra dia mipetraka ho ho olana sedraina hatrany ny fitadiavana akora fototra hahatsara ny vokatra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT