Tahaka ny mahazatra, manaraka ny baikon’ireo mpamatsy vola fotsiny ny fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI 2020), hoy ny mpahay toekarena, Hery Ramiarison.
Ireo izay manambara matetika fa ilaina ny ezaka amin’ny fandaniam-bola, ny fampidiram-bolan’ny fanjakana, ny mahakasika ny fanjakana tsara tantana ary ny ady amin’ny fahantrana sy kolikoly. Tsy misy maharatsy an’izany saingy hita ho manara-drenirano be fotsiny ny fanjakana ary tsy hita maneho mazava ny fanatrarana ireo ny drafitra PEM (Plan Emérgence de Madagascar) napetraka ity LFI ity. Manjavozavo ny vola laniana amin’ny fanatanterahana ireo vina sy velirano ao anatin’ny IEM. Tokony hitondra fampandrosoana sy fiaingan’ny toekarena ny famolavolana sy ny fampiharana ny lalàn’ny fitantanam-bola, hoy hatrany ity mpahay toekarena ity. Mahakasika ny haban-tseranana amin’ny fanafarana bolabolan-tsavony izay naverina ho 10% raha toa ka noheverina ho 20% tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola teo aloha dia anjaran’ny fanjakana, hoy izy no manazava sy mandresy lahatra ny amin’ny fanapahan-kevitra sahala amin’izany. Maro ireo orinasa eto an-toerana tsy mahafantatra ny dikany akory kanefa mety hahatsara na hamotika ny orinasa ny fandraisana io fanapahan-kevitra io ka tokony hisy fanampim-panazavana. Nanambara ihany koa ity mpampianatra Toekarena ity fa ny fampiroboroboana ny famokarana no tokony himatimatesana saingy maika be ny fanjakana mihazakazaka amin’ny famorian-ketra. Ahiana ho maro be ny olona sy ny orinasa hitsoaka amin’ny fandoavan-ketra (evasion fiscale) ary hisy akony ratsy amin’ny toekarena io politika io raha tsy mitandrina ny fitondram-panjakana. Tokony hojerena ihany koa ireo sehatra tena laharam-pahamehana satria hita ho manamarika ity LFI ity ny fikitihana sy fanafosafoana kely ireo sehatra maro isan-karazany izay mitsinjo hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.