Toekarena

Lalàn’ny fandraharahana Tombony ho an’ny Malagasy


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Miambakavaka ary misavoritaka tanteraka ny mpandraharaha Malagasy noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny tontolony eto Madagasikara araka ny nambaran’ny mpandraharaha sady depioten’i Faratsiho, Rasolonjatovo Honoré.

 

Miandriandry daholo ny mpandraharaha ary tsy sahy mampiasa vola amin’izao fotoana izao noho ny tsy fisian’ny lalàna marim-pototra mifehy azy Manampy trotraka ny fitobahan’ireo entana avy any ivelany izay mamono tanteraka ny mpandraharaha Malagasy, hoy izy. Misy akony ratsy amin’ny toekarena anefa izany ary hita ho mahazo vahana hatrany ireo mpampiasa vola avy any ivelany mihoatra ny Malagasy. Noho ny fidiran’ireo entana avy any ivelany ireo no mamparefo ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ary saika misehatra amin’ny tsy ara-dalàna avokoa ny ankamaroan’ny mpampiasa vola. Antenaina amin’ny alalan’ny fandraharahana ity ny tataon-ketra atao amin’ireo vokatra avy any ivelany mba iainan’ny mpandraharaha Malagasy.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT