Toekarena

Lalànan’ny tetibola nasiam-panitsiana Tsy ampy ny natokana ho an’ny sosialy


  • Talata 30 Jona 2020

Lany tsy nisy fanovana na nasiam-panintsiana teo anivon'ny Antenimieram-pirenena teny amin'ny CCI Ivato ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panintsiana 2020 (LFR 2020).

 

 

 

Raha tsiahivina dia solombavambahoaka 94 tamin'ireo 103 tonga nivory no nandany izany. Raha ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao dia tokony ho betsaka ny tetibola natokana ho an’ny sosialy. Nahena avokoa ny ankabeazan’ny fandaniana eny anivon’ny ministera satria efa mazava ny resaka fa sahirana ara-bola ny fanjakana.Hita fa mbola tsy ampy mihitsy ny natokana ho amin’ny sosialy. Tokony natao ho laharam-pahamehana tao anatin’ny fandinihana ny LFR mihitsy anefa ny fijerena ny lafiny sosialy izay tena miantraika mivantana amin’ny vahoaka ; tetikasa maharitra mandavan-taona no antenain’ny olona fa tsy kizarazara tsy misy fotoana mazava. Tsy hita taratra ny fisian’ny tetibola ambony ho fitsinjovana ny vahoaka vokatry ny krizy ateraky ny valanaretina coronavirus. Mazava ho azy fa hiankina hatrany amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany ny fitondram-panjakana amin’ny fiahiana io lafiny sosialy io ; ary raha tsy nisy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa, dia asa fotsiny izay nitranga teto.

 

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT