Toekarena

Lalana potika Tsy mitondra fampandrosoana ara-toekarena


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Anisan’ny sehatra iray azo hitarafana ny fandrosoan’ny firenena iray ny fahatsaran’ny lalana misy ao aminy. Raha ny eto Madagasikara manokana ohatra, izay firenena miankin-doha tanteraka amin’ny fambolena dia ilaina ny fahatsaran’ny lalana mba amoahana haingana ny vokatra, indrindra any amin’ireny ambanivohitra ireny.

 

 Nahavelom-bolo ny tantsaha Malagasy mihitsy ireny  fanamboaran-dalana maro tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana ireny. Tao ny lalana vaovao maro noforonina tamin’ireny ary tao ihany koa ny nasiam-panamboarana ka natao tsara fa tsy toy ilay hitantsika ankehitriny (15 000 km). Raha ny teto an-drenivohitra manokana dia tsara ihany ny mampatsiahy fa tsy nisy nahavita ny lalana tao Anosibe raha tsy tamin’io filoha io nefa ao daholo no tonga ny vokatra rehetra avy any amin’ny faritra maro. Amin’izay resaka izay ihany dia mahita isika ny fahapotehan’ny lalana eto Antananarivo izay saika hita amin’ny fokontany rehetra. Maro ny fantiantoka aterak’izany ankehitriny raha tsy hilaza fotsiny ny fotoana lany amin’ny fitohanan’ny fiarakodia izay mahatonga ireo fiara mpitatitra hiverina antsasa-dalana, ny fahapotehan’ny fiara, ny tsy faharisihan’ny vahiny hizahatany. Fa ny tena loza ihany koa dia ny fahapotehan’ny lalana maro any amin’ny faritany mamokatra toy ny any amin’iny lalam-pirenena faha-44 (Moramanga, Ambatondrazaka …), lalam-pirenena faha-5 (Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina ?...), ny lalana any amin’ny faritra SAVA izay mpamokatra ny lavanila sy ny any amin’iny Atsimo Atsinanana iny izay misy ny jirofo sy dipoavatra. Ahoana tokoa moa no anantenana fampandrosoana haingana eto raha ny fotodrafitrasa nataon’ireny mpanjanaka ireny aza tsy tohizana ? Mbola vitsy ihany koa ny lalana vita tara (route goudronnée) ary maro ny faritra mbola mitoka-monina sy anjakan’ny fanakanan-dalana. Hisy ihany ve olona tsy hahatakatra ny tombony azo amin’ny fahavitan’ny lalana ka ho sahisahy hiteniteny foana hanao  hoe « ny lalana angaha fihinana ? ».

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT