Lalàna momba ny tetibolam-panjakana

Mbola tsy tonga ny PLF 2024, taratry ny krizy…


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Manaitra hatrany ny governemanta eo anatrehan’ny fahataran’ny fanolorana ny volavolan-dalàna

momba ny tetibolam-panjakana na PLF 2024 ireo Firaisamonim-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny 31 oktobra lasa teo farafahatarany no efa tokony ho tafapetraka izany, saingy mbola tsy tontosa izany aty amin’ny telo herinandro mialohan’ny fahataperan’ny fivoriana ara-potoana. Tokony hanana 15 andro hahafahana mandinika an’io moa ny parlemantera mialohan’ny handaniana azy. Heverina ary mitombina ny mety ho filazana fa noho ny fiatrehana ny fifidianana no mahatara izany, saingy amin’ny fiainam-pirenena dia mitohy, ka tokony samy hanatanteraka ny adidiny ny tompon’andraikitra amin’izany mba tsy vao mainka hanampy trotraka ny hahalalina kokoa ny krizy efa ianantsika, hoy ny fanamarihan’ny Firaisamonim-pirenena. Miantso ny hametrahana izany PLF 2024 izany ao anatin’ny fotoana fohy sy hamoaka azy ho azon’ny rehetra jerena noho izany ny Firaisamonim-pirenena. Notsipihina rahateo fa tokony hatao am-pahamatorana tanteraka ny fandinihana sy fandaniana azy io, ary mila mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka izay tokony ho mpisitraka voalohany ny fampiasana ny volam-bahoaka, fa tsy atao tandrametaka lava. Tsara anefa ny manamarika, fa tamin’ny farany teo, dia nisafidy ny tsy nampanao fanintsiana ny tetibolam-panjakana na LFR 2023 ny fitondrana Rajoelina, izay nanamafy ny ahiahy maro samihafa momba ny fitantanana ny firenena, izay niatrika zavatra maro tahaka ny fifidianana. Io indray fa tara ny PLF 2024 izay toa manamafy hatrany ny krizy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Tsy mba niomana ve ny Fanjakana sa mialokaloka ao anatin’ilay hoe : Fanjakana vonjimaika ? Maro ihany anefa etsy andaniny ny fanapahana ireo fanapahan-kevitra indrindra misy resaka famoaham-bola ihazakazahana. Sa kosa matahotra eo anatrehan’ny fihamafisan’ny krizin’andrim-panjakana ny fitondrana ? Raha ny sary mitranga ankehitriny mantsy, tsikaritra ho marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny governamanta sy ny fahefana mpanao lalàna dia ny antenimierampirenena. Niainga tany amin’ny desambra 2022 nisian’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta izay nosakanana ; nitohy tamin’ny fanonganana mpikamban’ny birao maharitra izay nitsefotra ; ary ankehitriny dia ny Filohan’ny Antenimierampirenena indray no maty henjika notondroina ho mpitarika vovonana mpanohitra sy miketrika fanonganam-panjakana, raha ny nambara nialohan’ny fifidianana,… Dia mbola sahy hilaza ihany ve ny mpitondra fa tsy misy krizy eto ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT