Toekarena

Lalàna momba ny fampiasam-bola Ampitoviana ny herijikan’ny Malagasy sy vahiny


  • Talata 23 Mey 2023

Lany tao anatin’ny fivoriana nitambarambe teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly 22 may 2023 ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

Nambara fa nisy lesoka ka tsy nahafahana nampandroso na nampiroborobo ny toekarena teto amintsika ilay Lalàna momba ny fampiasam-bola tamin’ny tamin’ny taona 2007, ka antony namolavolana ny rijanteny vaovao hasolo azy. «…Hita teto androany fa na ireo solombavambahoaka mpanohitra na ny solombavambahoaka miaraka amin’ny fitondrana dia niray hevitra fa ilaina tokoa izany lalàna momba ny fampiasam-bola eto amintsika izany”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy. Ahitana toko folo sy andininy 35 io lalàna io. Raha hiverenana dia andininy iray ho fiarovana ho ny mpiasa Malagasy no nasiam-panovana tany amin’ny asam-baomiera ny 15 may teo. Mivoitra anatin’izany ny fanamorana ny fikarakarana ny fananganana orinasa, fametrahana safidy mazava tsara eo amin’ny sehatry ny famahana olana, fanitarana ny sehatra ifandaminana anatiny manoloana ny olana misy eo amin’ny mpampiasa vola avy eto an-toerana sy ny fanjakana Malagasy. Navoitra fa tsy hisy intsony ny mizana tsindrian'ila fa hitovy avokoa ny herijika, na ho an'ny mpampiasa vola tera-tany na vahiny. « Aoka hiala avy hatrany ny ahiahy fa amin’ity Lalàna momba ny fampiasam-bola vaovao ity dia tena hanana ny toerana ireo mpandraharaha malagasy. Ilaintsika koa anefa ireo mpandraharaha avy any ivelany. Sady misarika azy ireo isika hampiasa vola no hanome asa bebe kokoa ho fampandrosoana ny toekarena », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy teny Tsimbazaza raha nanao ny famelabelarana io volavolan-dalàna io. Anisan’ny fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka ny fisitrahana ny tany ho an’ireo mpampiasa vola vahiny. Nisongadina anaty fanavaozana ny tsy fahafahan’ny mpampiasa vola vahiny mividy tany fa fanofana tany maharitra kosa no ataon’izy ireo, izay nahena ho 50 taona, raha hatrany amin’ny 90 taona teo aloha. Hiditra amin’ny asam-baomiera eny amin’ny Antenimierandoholona manomboka anio moa io lalàna io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT