Toekarena

Lalàna momba ny famatsiam-bola Ohatra tsara azo alain-tahaka ireo firenena miteny Anglisy


  • Zoma 26 Mey 2023

Tamin’ireo toerana rehetra nalehako, raha tsy diso aho, hoy ny mpandraharaha ara-bola, Arizaka Rakoto,

dia matetika amin’ny firenena mampiasa teny Anglisy no mampiasa ny antsoina hoe «Pacte des investisseurs» na fifanarahan’ireo mpamatsy vola. Ohatra arakaraka ny zava-misy izay, hoy izy, fa mbola tsy hitako moa ny voarakitra anaty lalàna farany momba io mpamatsy vola sy famatsiam-bola eto Madagasikara io fa ny fitadidiako azy dia i Nizeria sy Maorisy izao mametra mihitsy hoe raha misy orinasa mitsangana aty aminay dia tokony ireto avy ny mpamatsy vola iaraha-miasa. Feran-drizareo hatramin’ny mpiasa hoe izao isan-jato ihany no avy any ivelany fa ny mpiasa ambiny dia avy eto an-toerana avokoa. Anatin’ny fiheverana sahady ny tombontsoa tokony ho azon’ny firenena izany rehefa manangana orinasa. Indrindra, resaka banky izany, satria tsy hijanona kelikely fa iny miha lehibe hatrany, hoy hatrany ny tenany, nanazava fa azo alaina ohatra ireo firenena miteny Anglisy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT