Lalàna momba ny 10.000 Euros

«Mamono ny mpandraharaha madinika mpanafatra entana»


  • Zoma 14 Jona 2024

Mamono ny mpandraharaha malagasy madinika ny lalàna mametra ny vola azo entina mivoaka

an'i Madagasikara ho 10.000€ tamin’ny taona 2021, hoy ny fikambanan’ireo mpandraharaha malagasy mpanafatra entana any ivelan’i Madagasikara, nanamafy ny fitarainan’izy ireo omaly. Tsy mbola nisy mpamotsy vola tratran'io lalàna io aloha fa ireo mpandraharaha malagasy madinika mpanafatra entana no lasibatra sy mitondra faisana, hoy ny fanambaran’izy ireo. Tokony hojeren'ny fitondram-panjakana akaiky ny momba io lalàna io fa miteraka olana betsaka ary sakana ho an'ny fampandehanana ny toekarem-pirenena. Mpandraharaha malagasy mpanafatra entana any ivelany iray no tratra nitondra vola nihoatra an’io fetra io teny Ivato farany teo dia nogiazan’ny fadin-tseranana avokoa ny volany ary niala maina izy, hoy ny mpandraharaha, Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara. Maneran-tany, hoy izy, tsy misy izany lalàna mametra vola entina izany fa fanaraha-maso ho fiarovana na «contrôle de sécurité» no atao. Ny hiditra ao amin’ilay firenena no mila manao fanambarana raha mihoatran’ny 10.000 Euros ny any aminy. Ny ao Sina izao akana 5% izany raha nanadino ny nampahafantatra azy. Natao ho ana mpizahantany fa tsy mpampiasa vola izany 10.000 Euros izany. Ny anay izao tamin’ny fiandohan’ny jolay 2024 teo, ny ofana kaontenera fotsiny no efa 8000 Euros. Izao vao nidina ho 6500 Euros. Inona izany no tombom-barotra ho azo raha toa ka 10.000 Euros fotsiny no avela hiantsenana? Ny fakan’ny fadin-tseranana manontolo ny volan’ilay mpandraharaha rehetra tratra mitondra mihoatra an’io fetra io ve tsy efa fandrobana? Zaraina amin’iza izany ilay volan’ilay olona tratra avy eo, hoy hatrany ny fitarainan’i Dadafara sy ireto mpandraharaha niray feo taminy ireto?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT