Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana

Holanian’ny antenimierampirenena anio…


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Anio 10 jona no handalo fandaniana ao anatin’ny fivoriamben’ny Antenimierampirenena

ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na ny LFR 2024, raha tsy misy ny fiovana. Ny zoma sy sabotsy teo no voalaza fa nandalo asam-baomiera teo anivon’ny Kaomisionin’ny toekerana sy ny vola teo anivon’io andrim-panjakana io. Navoitran’ny Minisitra Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison ny faran’ny herinandro teo moa ny fampifandanjana ny vola hiditra sy ny vola hivoka satria somary narisarisa ny fandoavan-ketra ka tsy tratra ny vina tamin’ity tapany voalohany amin’ity taona 2024 ity. Hamafisina ny fampidiram-bola amin’ny hetra, ka mety hisy ny fampiakarana izany amin’ny sehatry ny vary, ny fanafody,… izay mety hisy fiantraikany ara-tsossialy, kanefa ambara ezahana tazonina ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Nisy fihenana 7,3 miliara Ar ny resaka tambin-karama. Eo amin’ny 272 miliara Ar ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Tsy misy resaka fampidinana karama fa tratry ny fifehezana ny resaka fandraisana mpiasam-panjakana izay miato anatin’ny 6 volana, ankoatra ny fifaninanana ofisialy na koa ny mpitandro ny filaminana. 42,7 miliara Ar eo ihany koa ny fampihenana amin’ny resaka fampitaovana,... Eo anatrehan’ny fiatoan’ny fandraisana mpiasam-panjakana io, dia isan’ny miala maina sy miandry ny rariny aloha izany ireo mpampianatra FRAM natao fitaovana politika tamin’ny fifidianana, noterana nanohana kandidam-panjakana, nampanantenaina fa horaisina ho mpiasam-panjakana raikitra,… Miharihary ihany koa ny tsy fahampian’ny fidiram-bolan’ny fitondrana amin’ny alalan’ny hetra sy haba, izay heverina fa isan’ny antony ny tsy fahombiazana ara-pitantanana, kolikoly samihafa, tsy fananan’ny fitondrana vahaolana ara-toekerana sy ara-tsosialy mahomby, tsy fahatsapana tamberin’andraikitra amin’ny vola aloan’ny vahoaka amin’ny Fanjakana,… Tena voalanjalanja sy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy ny vahaolana samihafa ilaina apetraka ve ny tetibolam-panjakana 2024 ary tena hiady ny amin’izany ve ireo solombavambahoaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT