Toekarena

Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021 Nanao fanintsiana sahady ny Ministera


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Efa mandehandeha any ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na ny LFI 2021 eo amin’ny 133 pejy eo.

 

 

 Namoaka “errata” na fanintsiana sahady ny Minisiteran’ny vola vao any anaty andalana voalohany amin'ny Savaranon'ando (1er paragraphe de l'Exposé des motifs) an'ilay lalàna. Fanamaivanana kokoa ny fomba filazana ny taham-piakaran’ny harin-karena niiba (Taux de croissance négatif) io, fa ny fomba filazana azy no nolaroina mba tsy handratra loatra ny mpamaky angamba, sady nampiana ny tompon'andraikitra nahatonga ny olana tsy fahatrarana ny tanjona (à cause du contexte économique mondial). Tahaka izao no niaingana avy eo nahitsy: « Pour 2020, Pour 2020, le taux de croissance économique sera négatif alors qu’il était prévu à 0.8% dans la LFR 2020», saingy lasa vakiana hoe : « Pour 2020, il est fort probable que le taux de croissance économique fixé à 0.8% dans la LFR 2020 ne sera pas atteint à cause du contexte économique mondial». Somary nialana ilay hoe : « niiba » na « négatif », ary novolena ny antony tsy nahatrarana azy. Ankoatra io, raha toa ka hoe : « . : ny taha mpanjotra ny tahan’ny zanabola (notazomina ho 9.5% amin’izao fotoana izao), ny tahan’ny petrabola tsy maintsy atao (notazomina ho 11% ho an’ireo petrabola sandaina amin’ny Ariary ary 24.0% ho an’ny petrabola sandaina amin’ny vola vahiny amin’izao fotoana izao) ary ireo hetsika fanomezana famatsiambola vaovao na fisintomana ireo vola mivezivezy eny amin’ireo tsenambola, dia vakiana hoe : « . : ny lalan-tsaina hamerana ireo tahan’ny zanabola eo amin’ny tsenam-bola (tsenan’ny renivola averina anaty fotoana tena fohy ezaka), izay napetraka ho 0.90% amin’izao fotoana izao ho an’ireo tahan’ny fahafahana manao petrabola ary 5.30% ho an’ireo taha ahafahana manao “prêt marginal”, ny tahan’ny petrabola tsy maintsy atao (notazomina ho 11.0% ho an’ireo petrabola sandaina amin’ny Ariary ary 24.0% ho an’ny petrabola sandaina amin’ny vola vahiny amin’izao fotoana izao), ary ireo hetsika hafa ho fanomezana famatsiam-bola vaovao na fisintomana ireo vola mivezivezy eny amin’ireo tsenambola». Raha ny fanehoan-kevitra efa nataon’Atoa Serge Zafimahova amin’io lafiny farany io, dia ny tahan’ny zana-bola ho an’ny mpandraharaha izay tokony ho latsaky ny 5% no hapetraka, fa ny ankoatra izay somary resabe.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT