Toekarena

Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany Nolanian’ny depiote 24 ny fanovan’ny loholona


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Nodinihina ary nolaniana fanindroany teto anivon’ny Antenimierampirenena, nandritra ny fivoriambe notarihin’ny Filoha lefitra Razafitsiandraofa Jean Brunelle omaly alarobia 07 jona 2023,

ny volavolan-dalàna laharana faha-005/2023 mikasika ny fanavaozana ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon'ny tany. Nolanian’ny depiote avokoa ireo fanovana sy fanintsiana nataon’ny loholona. Anisany ny ao amin’ny andininy faha-31 mahakasika ny fanomezan-dàlana hitrandraka harena ankibon’ny tany izay niova toy izao : ny fanomezan-dàlana amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany dia azo, na amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitry ny Minisitra misahana ny harena ankibon’ny tany araka ny tolo-kevitra avy amin’ny komity ifotony izay tarihin’ny Lehiben’ny Distrika any amin’ny toerana itrandrahana, na avy amin’ny Foiben’ny volamena eto Madagasikara, arakaraky ny toe-java-misy. Ny mpikambana amin’io komity ifotony io dia tendrena araka ny fanapahan-kevitry ny Minisitra misahana ny harena ankibon’ny tany. Nasiam-panitsiana ihany koa ny mahakasika ny fomba fitsinjarana ny vola miditra azo avy amin’ny tamberimbidy amin’ny harena ankibon’ny tany, ao amin’ny andininy faha 290 andalana fahatelo, ka toy izao manaraka izao izany: 10 isanjato ho an’ny « Fonds National de Péréquation »; 90% ho an’ny Vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana, izay mitsinjara toy izao indray; 60% ho an’ny kaominina voakasiky ny tetikasa sy ireo kaominina iantraikan’ny tetikasa ; 30% ho an’ny Faritra; 10% ho an’ny Faritany. Eo ihany koa ny fampidirana andininy faha 431 bis vaovao ao amin’ny toko faha VII izay vaovao ihany koa amin’ny lohateny faha XVIII izay milaza fa mandram-piandry ny fametrahana ireo Faritany dia ny didim-panjakana raisina amin’ny filankevitry ny Minisitra no mamaritra ny fizarana ny anjara vola miditra avy amin’ny tamberimbidy amin’ny harena ankibon’ny tany natokana ho an’ireo Faritany,... Tsy hiverina etsy Anosikely intsony izany io volavolan-dalàna io. Na izany aza, nafana ny adihevitra tetsy Anosikely, toy ny fangatahana hivoaka hidinika nataon’ny depiote IRD, izay heverina fa fakana toromarika avy amin’ny Lehibeny no neverina fa antony, saingy notsipahin’ireo depiote sasany tahaka an-dry Me Hanitra Razafimanantsoa. Zara raha nisy 24 indray ireo nandany izany omaly satria na efa vitsy aza dia mbola nisy ny nivoaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT