Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany

Nadika amin’ny teny sinoa sy anglisy


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Nandika amin’ny fiteny anglisy sy sinoa ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny

tany na ny «Code minier decMadagascar ». Hampahafantarin’ny governemanta amin’ny fomba ofisialy anio zoma io raha ny tatitra nentin’ny fampahalalam-baovao iray. Tanjona ny hanome fahafahana ho an’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena hahazo fampahalalana momba ny lalàna ambany zotra amin’ny sehatry ny fitrandrahana eto Madagasikara indrindra ho an'ny firenena miteny anglisy sy sinoa. Ireo firenena ireo no nambara fa isan’ny mavitrika indrindra amin’ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ary be mpampiasa indrindra amin’ny sehatra iraisam-pirenena Ny famoahana amin’ireto fiteny roa ireto dia mitranga amin’ny fotoana iray ao anatin’ny fitadiavana sy fanamafisana ny mangarahara, ny fahazoan-dàlana ara-potoana ary ny fifaninanana ao anatin’ny tontolon’ny fampiasam bola. “Amin’ny fanaovana ny « Code » ho azon’ny maro takarina, ny governemanta dia manamora ny fifandraisana, mampihena ny eritreritra ahiahy momba ny tsy fanarahan-dalàna ary mampitombo ny fiarovana ny fampiasam-bola”, araka ny lalan-tsain’ny ITIE Madagascar (Initiative pour la transparence des industries extractives), izay notaterin’ny fampahalalam-baovao iray. Na izany aza, mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe : natao hanamorana ny bizina miaraka amin’ny sinoa ? Na izany aza, zava-dehibe ny tahaka izao, saingy tokony hobeazina mikasika ireo harena an-kibon’ny taniny ny Malagasy hahalalany ny lanjany, fa indrindra tokony hangaraharaha sy hiteraka akony ara-toekarena ny harena an-kibon’ny tany eto fa tsy sanatrian’ny vava hotavanin’olom-bitsy sy hiondrana an-tsokosoko lava hanabe voho ny toekaren’ny Firenena vahiny.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT