Toekarena

Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana Andrasana ny akony amin’ny toekarena


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020. Nolanian’ireo solombavambahoaka tetsy amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza tamin’ny sabotsy farany teo izany.

 

 

 Tsiahivina fa ny 11, 12 ary ny 28 novambra lasa teo no nodinihin’ny vaomieran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola, ny vaomieran’ny lalàna ary ny vaomieran’ny fanombanana ny politikam-panjakana ity volavolan-dalàna laharana faha-005/2019 tamin’ny 30 Oktobra 2019 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020 ity. Mitentina 10038 miliara Ariary ny tetibola amin’ny taona 2020 ka ny  5048,3 Miliara izay manome taha 39,57% dia natokana ho amin’ny lafiny ara-tsosialy. Hanaovana ezaka amin’ izany ny fanamboarana ireo fotodrafitr’asa goavana toy ny lalana, ny tanamasoandro, ireo trano mora, ny fambolena sy ny famatsiana herinaratra ary ny harena an-kibon’ny tany. Ny lanjam-bidy amin’ny fadin-tseranana mahakasika ny bolabolan-tsavony kosa dia notanana ho 10% toy ny teo aloha, raha toa ka 20% ny tahan’ny haban-tseranana noheverina noraketina tao anatin’ity volavolan-dalàna ity. Hiatrika ny fampiharana azy ny firenena, hoy ny minisitry  ny toekarena sy ny tetibola, Richard Randriamandrato. Nanambara ihany koa ny tenany fa tanjona ny fihazonana ny harinkarena ho 5,5% sy ny tataon’ny famorian-ketra ho 11,5%. Ny fandaniana ny volam-panjakana izay mitentina 10049 Miliara Ariary iandraketana ny  karaman’ny mpiasa, ny mpampianatra sy ny FRAM , ny mpitsabo, ny miaramila sy ireo hafa dia mbola ilana ezaka be. 8746 Miliara Ariary no vola tadiavina amin’ny tataon-ketra ary tsy misy hetra vaovao nampidirina. Fanitsiana tamin’ny haban-tseranana sy ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (Droit d’Accise) no natao. Aorian’izao fandaniana ny làlana mifehy ny tetibola teny amin’ny Antemieram-pirenena izao moa dia ireo Loholona eny amin’ny Antenimierandoholona indray no handinika azy.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT