Toekarena

Lalàna mifehy ny banky Mila politika mifanaraka amin` ny sehatra iraisam-pirenena


  • Alakamisy 02 Jolay 2020

Be loatra ny lelavola kirakiraina eto Madagasikara ka be loatra koa ny vola very noho izany. Raha ny tatitry ny IGE (Inspection Generale de l`Etat) amina miliara maromaro ny very any amin` ny sampandraharaha samihafa, any amin`ny ambaratongam-pahefan­a samihafa,

 

 toy iznay koa ny hita amin` ny kaominina, distrika, faritra. Betsaka, ohatra, ireo mpiasam-panjakana tsy manaiky ny handrotsahana ny karamany any amin`ny banky fa raiisina lelavola ihany amin` ny alalan`ny “bon de caisse” ihany. Tafiditra anatin` ny politikan`ny fanjakana ny ahafahan` ny maro an` isa mampiasa teknolojia ny amin` ny fikirakirana vola (inclusion finacière). Hahafahana miroso amin` izany politika izany ny lalàna mifehy ny banky izay tapaky ny filankevitry ny ministra. Naroso teo anivon` ny Antenimieram-pirenen­a ny fandaniana ny volavolan-dalàna lah. faha 011/2019 tamin’ny 11 desambra 2019 mikasika ny banky (loi bancaire) izay no lanian` ny depiote. Araka ny fanazavana dia mila havaozina ny lalàna mifehy ny banky eto Madagasikara ary hapetraka ny politika mikasika izany mba hifanaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT