Toekarena

Lalana eto Madagasikara Tsy arakaraka ny velaran-tany


  • Talata 18 Septambra 2018

Anisan’ny nampiavaka ny filoha Marc Ravalomanana ny fanamboaran-dalana nataony tamin’ireny taom-piasana ireny.

 

 

 

 Maro ny vokatra tafakatra ary velom-bolo ny tantsaha tamin’ny fotoan’androny. Araka ny tatitry ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) dia mahatratra 32 000 km ny fitambaran’ny lalana eto Madagasikara. Ny 11 862 km amin’izany no lalam-pirenena (RN), ny 12 250 km kosa ny lalana any amin’ny faritany ary ny 7500 km ny any amin’ireo kaominina, hoy izy ireo. Tena ambany be io mihoatra amin’ny velaran-tanin’i Madagasikara. Tokony hisy fanamboaran-dalana lehibe eto Madagasikara satria mbola malalaka ny Nosy. Ilaina ny lalana na amin’ny famoaham-bokatra, indrindra ny amin’ny sehatra fizahantany entina hampandroso haingana ny toekarena. Iaraha-mahita fa na ny lalana kely ananana aza tsy misy ny fikojakojana azy ary raha mba manao dia zara fa vita sy tefy maika hatrany. 2 miliara dolara be izao anefa, izany hoe 3% ny harinkarena faobe ny totaliben’ny tetikasa fanamboaran-dalana atao mandritra ny 4 taona novolavolain’ny minisiteran’ny asa vaventy tamin’ny fotoan’androny. 676 tapitrisa dolara no neken’ny mpamatsy vola tamin’ny desambra 2016 ary ny fikaonan-dohan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena (CBI) no tompon’antoka. Hatreto dia mitaraina ny maro, indrindra ny mpampiasa ireny lalana ireny tahaka ny mpitatitra, ny mpamokatra, ny mpanangom-bokatra eny na ny mpizahatany aza fa potika tanteraka ny lalana eto Madagasikara. Toa inian’ny mpitondra jerena fotsiny kanefa ny lalana no antoky ny fampandrosoana haingana ary tena hitarafana ny fahatanjahana ara-toekaren’ny firenena iray

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT