Toekarena

Lalampihariana Hazo Aleo ho lo toy izay ho an-kavana


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 21 oktobra 2020 fa “zo atao ny mivarotra sy mampiasa ireo tahirin-kazo tsotra entina handaminana ny sehatra miasa amin’ny hazo tsotra.

 

 

 Raràna kosa ny fivarotana sy fanondranana hazo any ivelany. Ireo vokatra efa voarafitra ihany no azo haondrana”. Valalanina ireo mpanao asa tanana, mivelona amin’ny sokitra manoloana ny fanapahan-kevitra toy itony. Mahatsiaro ho voadona amin’izany ny ao Ambositra, renivohitry ny Faritra Amoron’i Mania sady renivohitry ny asa tanana rahateo. Hazo ala, toy ny andramena sy voamboana no fampiasan’ireo mpanao asa tanana ao an-toerana. Mahasaritra mpizahatany ny vokatra vita. Efa an-taonany maro no sahirana amin’ny akora ny mpanao sokitra ao Ambositra. Mitsiriritra fotsiny izy ireo, mandre fa giazana etsy sy eroa ireo andramena efa tapaka, na lavon’ny rivodoza nefa tsy mba azon’izy ireo sitrahana havadika ho vokatra azo aondrana. Sa izay tokoa ilay hoe : aleo ho lo toy izay ho an-kavana ! Nanamafy ny fanjakana fa hapetraka ny tambazotra fanaraha-maso ny fivezivezen’ny hazo sy ny famoahana izany isam-paritra. Hamafisina ny fiarovana ireo faritr’ala mba hisorohana ny fanapahana hazo sy fitrandrahana tsy ara-dalàna ; ary ampitomboina ny faritra hovolena hazo mba hahatrarana ny tanjona handrakotr’ala an’i Madagasikara.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT