Toekarena

Làlam-pihariana soja any Betafo Hitarina any amin’ny Faritra Amoron’I Mania


  • Talata 31 Janoary 2023

Tonga nanao fitsidihana ny Ben'ny tanànan'i Betafo Renivohitra Atoa Livasoa Randriatahinamalala ireo ben'ny tanàna maromaro avy any amin'ny faritra Amoron'i Mania ny zoma 27 janoary 2023 teo.

Nitarika azy ireo ny Ben'ny tanànan'i Ikianjadrakefona izay filohan'ny "Associations des Maires Région Amoron'i Mania” niaraka tamin'ireo ben’ny tanàna notarihiny sy filohan'ny Kaoperativan'ny Tantsaha. Tanjon'ny fitsidihana ny hangataka fiaraha-miasa momba ny famokarana sy ny lalam-barotra soja izay tiana hiparitaka any amin'ny Faritra amoron'i Mania, tafiditra ihany koa amin’ny tanjona ho an’ny fampandrosoana eny ambanivohitra. Mampiseho ny fahavononan’ny Kaoperativa Firaisankina izay tarihiny ny Ben’ny Tanànan'i Betafo, izay izy no nanangana sy filohan’io. Federasionin'ny kaoperative miisa 25 no mitambatra ao anatin'ny Fisaisankina amin'izao ary misy mpikambana aman-jatony. Tapaka tamin'ny fihaonana ary fa dia hatambatra ao anaty federasionina ireo kaoperative marobe ao Vakinankaratra sy Amoron'i Mania, koa dia hiara-hisalahy amin'ny famokarana sy ny fitadiavana ny lalam-barotra miaraka ary ny Ben'ny tanànan'i Betafo hatrany no filohan'ity federasionin'ny kaoperativa ity, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT