Toekarena

Lalam-pihariana makamba Miantoka ny 55% ny fanondranana hazandrano


  • Zoma 05 Jolay 2019

Nosokafan’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono omaly alakamisy 4 jolay tetsy amin’ny Ibis Hotel Ankorondrano ny atrikasa iraisam-pirenena haharitra roa andro momba ny Makamba sy ireo hazandrano.

 

 Mpandray anjara fototra mandritra ny atrikasa ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena( FAO), ny Vondrona Eoropeanina, ary ireo vondron’ny mpiompy sy mpanjono makamba eto Madagasikara miampy  ireo mpisehatra eo amin’io lalam-pihariana io. Manana anjara toerana azo tsapain-tanana amin’ny toekarena  ny jono makamba satria miantoka ny 55%-n’ny fanondranana hazandrano eto Madagasikara. Mila fomba fitantanana matipaika izy mba ho lasa fidiram-bola maharitra ka izany no anton’izao atrikasa izao. Tsiahivina fa niakatra ny vokatra saingy nihena kosa ny halehiben’ny makamba raha oharina ny tamin’ny herintaona.  Mbola anatina krizy tanteraka ny lalam-pihariana makamba ny sehatra jono amin’ny ankapobeny. Olana ny fahapotehan’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro  izay manimba hatrany ny vokatra makamba tahaka ny fahapotehan’ny alahonko (mangroves). Ankoatra izay dia ilaina ny fandraisana andraikitra amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ireo mpifindrafindra toerana matetika.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT