Toekarena

Lalam-pihariana kafe, lavanila, cacao, lojy Hampitomboina ireo haondratsika any ivelany


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Hohatsaraina ireo karazana lalam-pihariana misy eto amintsika toy ny kafe, ny vanila, ny cacao, ny lojy...

 Raha araka ny fantatra mantsy dia anisan’ny firenena manana ireo karazana akora ireo tsara indrindra isika eto Madagasikara saingy mbola ilana fanatsarana koa ny fikarakarana azy. Hampitomboina ihany koa ireo haondratsika any ivelany. Ho an’ny vokatra kafe, ohatra, dia mbola ambanimbany ihany ny tahan’ny kafe haondrantsika tany ivelany. Vao 4. 500 taonina tamin’iny taona 2017 ity raha mahavokatra 28.500 taonina isan-taona. Na izany aza anefa dia efa tsara ny fanondranantsika ny vokatra kafe any amin’ny firenena Eoropeanina, hoy ny minisitry ny Varotra Atoa Chabani Nourdine.   Nisy ny atrikasa manokana nentina nandinihina izany niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina izay naharitra telo andro. Anisan’ny manampy antsika ireo manampahaizana manokana avy amin’ny CNUCED. Tanjona ny hahafahana manondrana betsaka ireo karazam-bokatra ireo any ivelany hahafahantsika mampidi-bola vahiny betsaka eto amin’ny firenena.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT