Toekarena

Lalam-pihariana biolojika Raikitra ny fananganana paikady nasionaly


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Rehefa avy tafapetraka ny lalàna mifehy ny famokarana bilojika (Lalàna 2020/003 ny volana joloay 2020)

 

 

dia niroso tamin’ny fananganana ny paikady nasionaly ho an’ny famokarana bilojika ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) sy ny tetikasa CASEF izay novolavolain’ ny CIRAD, ka notanterahina ny 22 desambra 2020 tao amin’ny hotely ‘Le Pavé’ ny atrik’asa fanehoana sy fakan-kevitra momba izany. Tonga nanatrika izany atrikasa izany ny minisitry ny fambolena sy fiompina ary ny jono, Ranarivelo Lucien, sy ireo solotenan’ireo mpisehatra rehetra eo amin ny famokarana biolojika, izay nitondra ireo mety ho fanatsarana izany paikady izay aharitra 10 taona izany, hoy ny fampitam-baovao. Nambara moa fa tafiditra ao anatin’ ny paikadin’ ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo ny fampiroboroboana ny vokatra manan-danja eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany. Anisan’ izany ny vokatra eo amin ny lalam-pihariana biolojika izay manomboka mahazo vahana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Navoitra noho izany fa zava-dehibe ho an’ny MAEP ny fampiroboroboana ny famokarana biolojika eto Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT