Toekarena

Lakandranon’i Pangalana Hatao toeram-pizahantany maharitra sy mampidi-bola


  • Sabotsy 15 Jolay 2017

Hatao toeram-pizahantany maharitra sy mampidi-bola ny lakandranon’i Pangalana. Hisy ny fananganana fotodrafitrasa marobe manodidina azy,

toy ny hotely handraisana ireo mpizahatany vahiny, ny lalamby hifandraisana amin’ireo faritra hafa manodidina, ny lalana izay hasiam-panatsarana, ny fanajariana ny tany, ny fampitaovana … Nivoitra io omaly nandritra ny fandraisan-dRamanantsoa Benjamina, minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ireo delegasiona Marokanina izay hamatsy vola ny ampahany amin’ny tetikasa. Tombony goavana andrasantsika ny fanovana endrika ny tanàna izay tsy mifanohitra velively amin’ny fiarovana sy ny fanatsarana ny tontolo iainana akory. Nisy omaly ny fihaonana notanterahin’ny roa tonta nentina nandinihina izany. Ankoatra ireo delegasiona Marokanina dia fantatra fa mpamatsy vola hafa marobe ihany koa no vonona hamatsy vola ity tetikasa fanatsarana sy fanavaozana ny manodidina ny lakandranon’i Pangalana ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT