Amin’ny ankapobeny mety ihany ho antsika eto Madagasikara ny tontolon’ny fandraharahana,
hoy ny mpandraharaha, Lahatra Andriamahatsangy, nanao jery todika ny zava-bita 2023. Mbola samy manana ny anjarany daholo angamba, hoy izy, amin’ny resaka fandraharahana. Ny olana mitranga dia ny tsy fisian’ny atao hoe “investissement directe étranger”, izany hoe, famatsiana mivantana avy any ivelany. Mahatonga tsy fisiana asa marobe eto Madagasikara amin’izao fotoana izao io. Tsy nisy mihitsy ny asa vaovao raha izany no resahana ho an’ireo olona tsy manana asa fa amin’ny ankapobeny moa izany ny asa aman-draharahan’ireo efa nisehatra tao anatin’izany tanaty taona maro mandeha amin’ny ankapobeny, mba tsy ilazana hoe mitsilopilopy ihany. Ny tanora mitsapa vintana sy manao “course vitsika” ny ankamaroany. Tsy resy lahatra amin’ny fitoniana eto amin’ny firenena ireo mpandraharaha avy any ivelany ka tsy hazoto mihitsy izy ireo raha tsy milamina ny eny amin’ny fitsarana sy resaka fandriampahalemana. Ho an’ny taona hoavy izany dia mila alamina ny resaka angovo na herinaratra sy rano satria tena mamotika orinasa maro io. Ny ankoatran’izay mbola olana hafa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.