Toekarena

Labiera CASTEL Nivoaka ny tavoahangy 65 Cl


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Navoaka tamin’ny endrika vaovao ny zava-pisotro Castel Beer. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tao anatin’ny 65 taona izay, dia anisan’ireo vokatra fanta-daza indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika Miteny Frantsay ny Castel Beer.

 

 Tamin’ny taona 2012 no nanomboka namidy teto amintsika  izy  ary ankehitriny dia mivoatra hatrany izany ka navoaka tamin’ny endriny vaovao. Tamin’ny fiandohany, dia tavoahangy 50 Cl ihany no nahitana ny Castel, fa manomboka izao kosa dia miampy ny tavoahangy 65 Cl izany. Ity farany izay endrika mety indrindra ho an’ny vokatra labiera  natao ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa azy. Tsy niova ny tsirony fa ny endriny ihany no niampy amin’izay efa nisy hatrizay. Raha tsiahivina, dia ny lehilahy 30 taona no mihoatra, ary ireo izay miandrandra fahombiaza no tena hiantefan’ny Castel. Anisan’ireo soatoavina voizin’ny Castel ny finiavana sy ny fametrahana azy. Izay indrindra no mahatonga azy hita matetika eo amin’ny sehatry ny kanto sy ny fandraharahana. Lanonana goavambe notanterahina tetsy amin’ny Is’Art galerie no nanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo.

 Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT