Toekarena

La Grande Braderie Mankalaza ny faha 20 taonany


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Hotanterahina ny 27 ka hatramin’ny 30 martsa izao indray ny hetsika la grande braderie de Madagascar andiany voalohany amin’ity taona 2019 ity.

 

 

Etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no hanatanterahana izany, iarahana amin’ny Madavision. Trano eva manodidina ny 200 isa raha ny nambaran-dRamanantsoa Harilala mpikarakara no handray anjara amin’izany, ahitana ireo sokajin’entana maro samihafa. Tanjona ny hahafahana manome ny mpanjifa rehetra ny fihenam-bidy izay fantatra fa hahatratra hatrany amin’ny 50 % mihitsy ny sasany. Hampahafantarina isan’andro ny trano eva ahitana izany raha ny nambaran-dRamanantsoa Harilala hatrany ka anisan’ny tena hahazo tombontsoa betsaka ireo mpankafy tennis sy ranomanitra. Nomarihiny manokana moa fa efa 20 taona izao no nisian’ny hetsika la grande braderie koa inoany fa hihoatra ny 35.000 ireo mpitsidika andrasana ho avy mandritra izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT