Toekarena

La grande braderie de Madagascar Nisy indray ireo mpandray anjara tsy afa-nihetsika


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Nisokatra nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, ilay hetsika « La grande braderie de Madagascar » natokana ho an’ny fetin’ny reny, karakarain’ny Madavision.

  Tranoheva manodidina ny 280  no mandray anjara amin’izany ka misongadina sy betsaka indrindra ireo karazana kojakoja sy lamaody azo atao fanomezana ho an’ny reny rehetra, amin’ny alahady ho avy izao.  Nisy  tamin’ireo mpandray no tsy afaka mandray anjara amin’ity hetsika ity, noho ireo  entany mihitsoka ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Maromaro ihany izy ireo, raha araka ny fanazavana azo omaly saingy na izany aza  dia vonona hatrany ny tranoheva rehetra ambiny hanome fahafaham-po ny mpanjifa. Mikasika ny vidin’entana dia  mpanara-maso miisa valo no napetraky ny Madavision mijery ireo karazan’entana nifanarahana tokony hanaovana fihenam-bidy.  Mihoatra ny 50.000 isa moa ireo mpanjifa andrasan’ny mpikarakara, amin’ity hetsika la grande braderie de Madagascar andiany faharoa ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT