Toekarena

La Grande Braderie de Madagascar Hentitra ny fanaraha-maso ny vidin’entana


  • Zoma 26 Mey 2017

Fahombiazana sahady ny andro voalohany sy faharoa ho an’ilay hetsika La grande braderie de Madagascar andiany faharoa amin’ity taona ity nokarakarain’ny Madavision.

Amin’ny alahady vao hifarana ny hetsika izay natokana hanampiana ny olona mitady fanomezana ho an’ny fetin’ny Reny. Ankoatra izay, misy koa ireo karazana kojakoja maro ilaina amin’ny fiainana andavanandro  miaraka amin’ireo akanjo mafana itsenana ny vanim-potoanan’ny ririnina. Mahatratra 300 eo ho eo ny trano eva mandray anjara amin’izany. Anisan’ireny ny Maki Company izay fantatra fa manome fihenam-bidy hatrany amin’ny 50 % mihitsy ho an’ireo fitafiana sy kapa vokariny azo hatolotra ny Reny. Tafiditra ao anatin’izany ny fivarotana ireo karazan’entana marobe teo aloha tsy lany. Ho an’ny Mankafy  boutique kosa indray dia tsy miova fa mitohy hatrany ny fivarotan’izy ireo ireo karazana tennis amin’ny vidiny morary azo hatalotra ho an’ny Reny ihany koa. Hentitra moa ny tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ireo tsy mampihatra ilay fihenam-bidy 15 %.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT