Toekarena

La grande braderie de Madagascar Hanome torohevitra sy hanampy ny tanora ny Openflex


  • Zoma 28 Septambra 2018

Hotanterahina manomboka ny 3 oktobra ho avy izao indray, haharitra dimy andro, ilay hetsika La Grande Braderie de Madagascar mialoha ny fidiran’ny mpianatra karakarain’ny Madavision.

 Etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatontosana izany ka anisan’ny tanjona kendrena ny hanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fividianana  ireo fitaovam-pianarana rehetra ilain’ny mpianatra, manomboka amin’ny kitapo ka hatramin’ny fitafiana sy  ny kiraro. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ireo mpanohana ofisialy marobe, hoy Ramanantsoa Harilala. Anisan’ireny ny Openflex  izay hanampy manokana ireo tanora liana amin’ny resaka indostria hahafahana mampiroborobo ny seha-pihariana eto Madagasikara. Tsy latsa-danja amin’ireny ny Master Immo izay hanosika sahady ny rehetra amin’ny fibanjinana ny ho avy amin’ny alalan’ny fividianana tany...  Hisy ny toerana hahafahana mampiala voly ny ankizy madinika hiarahana amin’i Jasmine sy Jasmin. Ny Dokotera Said kosa no ho avy hanafana ny sehatra ny alahady 07 oktobra. Manodidina ny 40.000 isa moa ireo mpitsidika handrasana ho avy mandritra ny hetsika raha manomboka amin’ny 15 % kosa ny fihenam-bidy. Nomarihin-dRamanantsoa Harilala fa tsy adino ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana satria dia ho avy marobe ihany koa ireo mpivarotra lamaody sy kojakoja maro samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Pati

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT