Toekarena

La grande braderie de Madagascar Handray anjara mavitrika ny ketrika.com


  • Talata 18 Desambra 2018

Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 24 desambra ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ilay hetsika La Grande Braderie de Madagascar andiany farany amin’ity taona 2018 ity, karakarain’ny Madavision.

 

 

 

 Tranoheva manodidina ny 280 isa no handray anjara ka anisany ny ketrika.com, orinasa kely iray vao niforona eo anivon’ny Vondrona Vidy Varotra. Anisan’ny hampahafantarin’ny ketrika.com mandritra izany ny fanampiany  ny mpanjifa rehetra amin’ny fividianana entana amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana  izay marihina fa sady mirary kokoa ny vidiny raha oharina amin’ireo fahita eny amin’ny magazay no tsy handaniana fotoana ihany koa. Tranoheva laharana 311 sy 312 no ahitana ny  ketrika.com izay manana tanjona hanala fahasahiranana ny mpanjifa amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Tsiahivina fa azo jifaina ao amin’ny ketrika.com avokoa ny entana rehetra manomboka amin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka hatramin’ny kiraro sy ny kilalao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT