Toekarena

La grande braderie de Madagascar Hanampiana ny mpandraharaha, tohana ho an’ny mpanjifa


  • Alarobia 18 Mey 2022

Efa ao anatin’ny fanomanana ilay hetsika ara-toekarena goavambe hotontosaina etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina hatramin’ny omaly ny Madavison, mpikarakara ilay hetsika La grande braderie de Madagascar.

Ny 26 ka hatramin’ny 29 mey ho avy izao no hanatanterahana izany, ahitana trano eva mihoatra ny 100 mahery. Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision dia natao indrindra hanampiana ny mpandraharaha madinika sy salantsalany eto amintsika izy ity indrindra taorian’ny nidiran’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika. Saika nivoaka sempotra avokoa mantsy ireo mpandraharaha raha araka ny fanazavany. Tsy afaka nivadika ho vola mihitsy ireo entana efa nalainy ka amin’ity hetsika La grande braderie de Madagascar karakarain’izy ireo ity no hivarotany izany mba hahafahana mamadika ny entana hanjary ho vola indray. Hisy ireo karazan’entana maro isan-karazany hahaliana ny mpanjifa araka izany mandritra ny hetsika izay hanomboka eo amin’ny 15 % ny fihenam-bidy. Noho ny fahasahiranana ihany koa mantsy hoy hatrany Ramanantsoa Harilala dia tsy mba afaka niantsena tsara intsony ny isan-tokantranony ka tohanana ihany koa izy ireny mba hanatsarany sy hanavaozany ny ao an-tokantranony ao. Mifanojo indrindra amin’ny fankalazana ny fetin’ny reny moa ity hetsika ity no sady hanarenana ny toe-karena ihany koa. Tsy misy atahorana ny fandriampahalemana, hisy ihany koa ny toerana manokana natokana ho an’ny fiara.
Pati
Legende : Ramanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT