Krizy politika miantraika amin’ny toekarena

Mampaneno lakolosy ny vondron’ny orinasa


  • Alakamisy 19 Oktobra 2023

Manahy mafy manoloana ny krizy politika mialohan’ny fifidianana izay mety hiitatra lalina any amin’ny krizy ara-toekarena

ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara na ny GEM. Miantso ny fahendren’ny mpiantsehatra mivantana ao anatin’ny toe-draharaha mba hamoaka fitoniana haingana noho izany ny GEM. Naneho izy ireo fa tena tsy afa-miala amin’ny mety ho fitotonganana indray eo anatrehan’ny fiakaran’ny maripana politika i Madagasikara. Misy fiantraikany amin’ny fandraharahana eto izany fa ho an’ny toekarem-pirenena izay mbola tena marefo, hoy ny fanairana. Manampy trotraka izany ny fari-piainan’ny olona sy ny tontolo ara-pandraharahana izay vao avy nisedra olana tamin’ny krizin’ny coronavirus, ny loza voajanahary, ny ady iraisam-pirenena, ary hamafisin’ny toe-draharaha politika amin’izao. Ny ankamaroan’ireo orinasa rahateo no voalaza fa nanamafy tamin’ny fanadihadiana ECE (Enquête de Conjoncture Economique) nataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny fahatsapana tsy fahamarinan-toerana sy antoka ara-pandraharahana eo anatrehan’ny toe-draharaha ara-tsosialy sy politika ankehitriny. Ao anatin’ny fiadiana ny tena fiverenan’ny tsenan’ny AGOA (l’African Growht and Opportunities Act) izay dinihina eo anivon’ny KongresyAmerikanina ihany koa anefa I Madagasikara, saingy mety ho sakana ny krizy politika. Miantso ny fisorohana ny krizy politika goavana izay mety hiteraka krizy ara-toekarena lalina noho izany ny Vondron’ny orinasa. Tsara moa ny manamarika, fa voizin’ny mpitondra ankehitriny mafy fa tsy misy krizy politika eto kanefa iaraha-mahita ny tsy fisian’ny fahamarinan-toerana eo amin’ny mpitondra ankehitriny toy ny governemanta, ny andrim-panjakana tahaka ny Antenimierandoholona sy ny HCC, fa indrindra ny lafiny fiandrianam-pirenena sy raharaham-pifidianana izay miteraka fifandonan-kevitra goavana noho ny fanoherana ny mety ho teti-dratsy vao mainka hiteraka krizy sy tsy fahamarinan-toerana politika ka ilàna fanadiovana fifidianana mba hisorohana izany. Tsy aleo ve izao dia efa alamina sa hatao sorona mihitsy ny firenena sy ny vahoaka ?
Toky R

Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT