Toekarena

Krizy eto Madagasikara Mihamafy ny fisondrotam-bidim-piainana


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Efa ambony hatrany ny tahan’ny sondro-bidim-piainana nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny faran’ny taona 2019. Mbola hita mihamafy hatrany izany amin’izao fisian’ny valan’aretina eto Madagaskara izao.

 

 

Tsy tana fa miroso tsikelikely sy miandalana mankany amin’ ny fidanganam-bidim-piainana mafimafy kokoa ny eto amin’ny firenena. Efa tsy lazaina intsony ny fisoko-miadan’ny entana ilaina andavanandro tahaka vary, ny menaka, ny sira sy ny sisa izay mampikaikaika ny Malagasy. Amin’izao fotoana izao dia saika niaka-bidy izany ary samy manao ny saim-pantany ny mpivarotra. Tsy hita mihitsy ary tsy fantatra mazava indray hoe aiza ho aiza ireo sampana mazava mijery manokana ny fisondrotan’ny entam-barotra. Tsy mitsaha-mitotongana ihany koa ny Ariary ankehitriny. Araka ny fanazavan’ny Banky Foiben’I Madagasikara dia nohon’ny fihenan’ny vola vahiny miditra ny anton’izany satria mbola tsy tena misokatra ny sisintany. Mila mividy na mampiditra vola vahiny ny firenena Malagasy mba hanetsemana ny lavaka sy fatiantoka. Mbola tsy nisy fitotonganana tahaka ny tamin’ity volana Jona ity satria nahatratra 3,15% izany oharina amin’ny dolara ary 5,10% be izao izany fihenan-danja izany raha oharina ny Euro. Izany rehetra izany no hiteraka fahefa-mividy ambany ho an’ny Malagasy ary ampoizina ny fitarazohan’ny fidanganam-bidim-piainana raha tsy misy fepetra matotra raisin’ny fitondram-panjakana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT