Vokatry ny krizy dia tsy nitsahatra nitotongana ny vola Ariary tao anatin’ny enim-bolana farany manoloana ireo vola vahiny be mpampiasa eto amintsika. 3.925 Ariary ny vola eoropeanina ary 3.360 Ariary kosa ny dolara amin’izao fotoana.
Tsiahivina fa tamin’ity fitondrana ity no nahitana ny Euro iray mananika ary manafosafo ny 4000 Ariary anatin’ny fotoana lava. Ankoatra ny fiakaran’ny fanafarana entana avy any ivelany izay betsaka noho ny aondrana dia ny tarazon’ny krizy sy ny tsy fahaiza-mitantana mihitsy no manempotra an’i Madagasikara. Iaraha-mahalala koa moa ny olana ara-bola mianjady amin’ny fanjakana noho ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola ka mampihena hatrany ny vola vahiny miditra tokony hihodina eto. Nandiso ny kajikajy natao tany aloha rehetra tany io ary efa ampoizina hatrany ny ho fidanganan’ny vidim-piainana. Mampiteny ny moana mihitsy ny zava-misy ankehitriny ary very fanahy mbola velona ny Malagasy ka maro no kivy sy ketraka ary valalanina tanteraka. Tsy misy fahamatorana sy fandraisan’andraikitry ny fanjakana kanefa saika potika daholo ny sehatra rehetra misy eto, indrindra ny lafiny ara-toekarena. Mahagaga fa mpahay toekarena sy manampahaizana manokana amin’ny lafiny fikirakirana vola anefa ny filoha mpitarika an’ity nosy ity izay tokony ho tombony ny fananana azy. Mety tsy nampiasaina tamin’ny fitantanana ny firenena mihitsy angamba ny traikefa avo sy maro ananany fa natao tamin’ny zavatra hafa satria raha ny hita dia tsy mandeha amin’izay tokony ho izy intsony ny toekarena Malagasy.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.