Nahena amin’ny ankapobeny ny tetibolan’ny minisitera sy ny andrim-panjakana samihafa ao anatin’ny volavolan-dalàna nasiam-panintsiana na ny LFR mitaha amin’ny LFI na ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola niaingana.
Isan’ny miavaka io ho an’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, izay 706 779 752 lasa 625 675 465 izany hoe nanesorana 81 miliara ariary any ho any. Marihina fa “en milliers d’Ariary” ny sora-bola eto, izay hoe misy “000” aoriana ka 706 779 752 ohatra dia 706 779 752 000 Ariary izany. 215 365 306 ny an’ny Fiadidian’ny Repoblika tao anatin’ny LFI no lasa 211 064 335. Ho an’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany kosa, dia 1 201 649 975 1 nampidinina ho 166 248 728. Ny tontolon’ny asa vaventy novinavinaina ho 752 126 389 lasa 728 044 629. Mahatratra 706 779 752 ny an’ny Minisiteran’ny Filaminana anatiny tao anatin’ny LFI saingy nampidinina ho 625 675 465, izany hoe nanalana 154 miliara ariary eo ho eo. 355 730 934 ny an’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo, nokantsanana ho 189 541 957. Nihena ny an’ny tafika, harena an-kibon’ny tany, fitaterana sy fizahantany, fampianarana ambony, paositra, mponina, fitsarana,… Ny an’ny CENI izay 35 908 243 lasa 15 218 243. Niakatra kely kosa ny an’ny Minisitera sy andrim-panjakana sasany, toy ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola, izay 8 323 665 335 niakatra ho 8 388 564 397. Ny antenimierandoholona 15 524 954 lasa 16 524 954. Ny antenimieram-pirenena 47 511 935 nakarina ho 52 511 935. Ny HCC dia 9 105 331 nakarina kely ho 9 181 831. Ny an’ny fahasalamana 680 779 772 lasa 741 179 058. Ny an’ny Minisiteran’ny serasera nofaritana ho 51 556 692 saingy niakatra ho 59 414 758. Betsaka ny zavatra faritana hatao, saingy ny fandrafetana ny LFR dia manaporofo, fa tena mandalo krizy ara-bola sy ara-toekarena isika na misy aza ny Plan Marshall 1043 miliara ariary, kanefa ny PIP (Programme d’Investissement Publics) novinavinaina teo aloha aza 4 835 miliara ariary ambony lavitra noho io. Kely ny fanantenana amin’ny vokatra ho azon’ny fanjakana satria 0,8% rahateo ny vinan’ny fiakaran’ny harin-karena faobe, raha 5% mahery no nofaritana tany aloha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.