Anaty krizy ara-toekarena tsy manampaharoa noho ny olana ara-politika i Venezuela amin’izao fotoana, ankehitriny dia mahatratra hatramin’ny 3.000% ny fisondrotam-bidim-piainana any an-toerana.
Miparitaka ary ifanakalozana any an-toerana ny vola Amerikanina dolara. Miasa izany na eny amin’ny tsenam-boankazo sy ny legioma na eny amin’ny Banky. Noho izany dia lasa miankina amin’ny tahan’ny fifanakalozana dolara (taux de change) ny vidin’entana rehetra. Ny tsy fisian’ny vola ao an-toerana, ilay antsoina hoe bolivar no nahatonga io tranga io. Amin’izao fotoana izao dia tsy manome afa-tsy 50.000 bolivar isan’andro isaky ny mpanjifa, izay latsaky ny 1 Euro ny takalony, ny banky. Io vola io anefa dia tsy mahazo ny zavatra ilaina sy fampiasa amin’ny fiainana andavanandro akory. Nanambara ny mpahay toekarena tany an-toerana fa ny fahatapahan-jiro nandritra ny vanim-potoanan’ny lohataona 2019 no tena tsy nampisy intsony ny bolivar ankoatr’ireo olana ara-toekarena efa misy. Tsy ampy hampiverenana amin’ny laoniny ny toekarena intsony ny vola mivezivezy (liquidités) ananan’ny banky foibe satria avo loatra ny fiakaran’ny fidim-piainana noho io fahatapahan-jiro tafahoatra io. Ankoatra ny tsy fisian’ny volan’i Venezoela ao an-toerana dia mampanjaka ny dolara any ihany koa ny fandefasana vola (virement) amin’ny alalan’ny kaonty amin’ny banky roa ka ny iray any Etazonia ary ny iray ao an-toerana. Ataon’ny vahoaka izany amin’ny alalan’ilay application antsoina hoe ZEL ary voalazan’izy ireo fa mora ny manokatra kaonty any Etazonia satria rehefa mahalala olona mitoetra any fotsiny ka manome ny mombamomba dia io olona io ihany dia efa afaka manokatra ilay kaonty. Nanamora ny fampidirana sy fampiasana ny dolara ihany koa ny vola tahirin’ireo mpanakarena any an-toerana izay avy any ivelany (rapatriement) ka ampiasainy amin’ny fandoavana faktiora isan-karazany ary hanomezany ny karaman’ireo mpiasany. Tsy ny toekarena ihany no simba amin’izay tranga rehetra izay fa ny fiainan’ny olona amin’ny ankapobeny mihitsy satria na ny asa any an-toerana aza dia tsy misy. Ny faktiora anefa tsy maintsy aloha, ny fitondrana sy ny mpanohitra variana miady toerana, ny fandriampahalemana tsy mandeha amin’izay laoniny hany ka ny mitsoa-ponenana sisa no vahaolana hitan’ny olona fa mety.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.