Toekarena

Koperativa MADAOMBY 9.000 Ar no hamoahany ny kilaon’ny henan’omby eny amin’ny abatoara


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Mbola mijanona eo amin’ny 12.000 Ar ihany hatramin’izao ny iray kilao amin’ny henan’omby eny an-tsena. Misy mihitsy aza no 13.000 Ar ho an’ireo karazany tsy mifangaro sady matavy tsara. Raha araka ny fanazavan’Atoa Tahiry Sambehafa, lehiben’ny koperativa Madaomby anefa dia efa tsy tokony ho izany intsony ny vidiny eny an-tsena amin’izao.

 

 Efa nofehezin’izy ireo ny eny anivon’ny abatora. 9.000 Ar no hamarotany ny iray kilao ho an’ireo karazany mahia raha 10.000 Ar ireo karazany matavy. Ho an’itsy voalohany aza dia efa nidina hatrany amin’ny 7.000 Ar. Nomarihiny manokana fa ireo eny amin’ny mpaninjara no tena maka tombony betsaka amin’ny mpanjifa. Mikasika ny omby eto Madagasikara manokana dia notsindriany fa ahiana ihany ny hahalany ringana azy ireny raha tsy misy fepetra raisin’ny fitondram-panjakana mikasika ny firongatry ny asan-dahalo. Mihakivy mantsy ireo tantsaha mpiompy, hoy izy, hany ka betsaka ireo lasa mirona amin-java-kafa.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT